Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny amin'ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D8B8103-7B6E-4777-A2F7-A8A0BE61E118
2
Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25A23A7A-E181-47B8-8397-FBF7D0F97A1B
3
Fa raha misy tia an'Andriamanitra, dia izy no fantany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A6A72BC-3CE5-40C7-982E-364E62C178B1
4
Ary ny amin'ny mihinana ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E54C936D-B1CB-409B-944C-9C08DBE39258
5
Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na ety an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AFF547B-B7EE-4DF3-AE73-3F97E99CE188
6
nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C843BA7-7228-485E-8CE5-3E4FCF86FE6B
7
Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin'ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin'ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany, satria malemy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABF708AA-ED1F-4AF5-9E97-6560057611DF
8
Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka; ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15A4B67C-D50E-401D-B58D-F78AA370FD8D
9
Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|486F9D77-CDE2-4666-9D28-9A1882C2B6AF
10
Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2ECC830D-B816-4D66-B635-6385B9FFBAD8
11
Fa verin'ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny fahafatesana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87B90147-8433-4FB5-B43E-CC7E150CBB02
12
Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy hianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34C18A57-DF4D-4954-88A8-34F291BDB4AB
13
Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4F4BC38-842E-4AE9-BA0A-40965CACD2BA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany