Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tsy olona afaka va aho? Tsy Apostoly va aho? Tsy efa nahita an'i Jesosy Tompontsika va aho? Tsy asako ao amin'ny Tompo va hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00FD243F-8066-4C50-BCC4-D1E2B2B2112B
2
Raha tsy Apostoly ho an'ny sasany aza aho, dia Apostoly ho anareo tokoa; fa hianareo no tombo-kase mah'Apostoly ahy ao amin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|864F29E9-DE62-4B30-A2C1-04403E3B1CF8
3
Izany no avaliko izay manadina ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19BC151B-134D-4AD5-9422-3918D96DE4EA
4
Moa tsy mahazo mihinana sy misotro va izahay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8ABEF980-1A68-457B-95C9-3C4AF372C8E7
5
Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan'ny mino va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny rahalahin'ny Tompo ary Kefasy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FABF46DA-EBBF-470B-A55B-A4585569AEBF
6
Sa izaho ihany sy Barnabasy no tsy mahazo mitsahatra tsy miasa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99AADA49-21AC-4DEE-B63E-E97DB4CD3E9D
7
Iza no mandeha manafika ka mivelona amin'ny haren'ny tenany? Iza no manao tanimboaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman-osy ka tsy mihinana ny rononony?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39898942-BB80-4811-B826-4E51F7F33973
8
Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46C24D24-CF83-44D5-A7DA-2C5AD08A49A0
9
Fa voasoratra eo amin'ny lalàn'i Mosesy hoe: Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary (Deo 25:4). Ny omby va no ahin'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA9E8668-A4DE-4FF6-A759-4F9A2B1D1661
10
Sa noho izahay mihitsy no nanaovana izany teny izany? Eny, fa noho izahay indrindra no nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin'ny fanantenana, ary izay mively vary dia tokony hively amin'ny fanantenana hahazo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D13CA12-C245-42CE-A3E2-391CC5A6644A
11
Raha izahay namafy izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay anananareo araka ny nofo kosa izahay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88D49450-49ED-4050-B6CC-8E426544ABE6
12
Raha ny hafa aza manana izany fahefana izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin'ny zavatra rehetra, fandrao hisakana ny filazantsaran'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B72596A1-311B-4BED-B4DE-A3A8BF70F67D
13
Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin'ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin'ny alitara dia miombona amin'ny alitara?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80C5694E-14C7-45DD-8F3A-87F8CC160539
14
Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12F61CDD-EE3C-48E5-AE4B-631EEF838D3D
15
Nefa tsy nahavatra izany zavatra izany na dia kely akory aza aho; ary tsy manoratra izany aho mba hanaovana izany amiko; fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6480C082-E918-46C7-9DF4-6DF12CF5DF04
16
Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D580167B-B2F8-4707-9CE0-25EC0D902049
17
Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy sitrapoko, dia natolotra ahy ho andraikitro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B13025EF-DB6F-422C-A7C5-02AA641F6DF3
18
Inona ary no valim-pitia azoko? Dia izao: Raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefako amin'ny filazantsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C520908-5A98-4A24-AD47-1984C05A3742
19
Fa na dia afaka amin'ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon'ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA75D9DD-9E8A-4848-B1FD-0722695B32D1
20
Tamin'ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin'izay ambanin'ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin'ny lalàna aho, na dia tsy ambanin'ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin'ny lalàna;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66280D8A-0CCD-4B41-BDFF-E6CCDFD46BE9
21
tamin'izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin'Andriamanitra aho, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy), mba hahazoako izay tsy manana lalàna;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99924B5A-8492-4D96-8BF7-CB7CAEE4FD54
22
tamin'ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin'ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5CC33B2-DB47-44BB-8074-0BBF1F620884
23
Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB7308BE-7427-4597-BDF8-A21FB968203D
24
Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97BA2AD5-738A-4F3F-8643-1D0EFBDFD986
25
Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E87601F8-70C8-4765-BCD6-6E1B6DA9172E
26
Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC5DAF0C-42CF-47F6-9908-4F7E78F6D97D
27
fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50109A11-8CBE-4828-8A32-6181548AC970
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany