Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny tenako izaho Paoly, dia mananatra anareo amin'ny famoram-panahy sy ny fandeferan'i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa raha tsy eo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7CA7AC5-35DE-4FCD-8BF0-528EAACB9FD8
2
Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin'ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin'ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FFA0C6D-2D68-4E1D-9D79-CF98ACDD3DD8
3
Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9685C532-7F75-4131-AF76-F538B0BE3BE8
4
(fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B04F350A-19B7-45B0-A9CC-781766F86C28
5
fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23877F74-363A-4531-8423-9DACAE7D01AC
6
ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C8521F2-2A2B-4EC3-8775-22DA5DFFBD8A
7
Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va hianareo? Raha misy olona matoky ny tenany fa an'i Kristy, aoka izy hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah' an'i Kristy azy, no mah' an'i Kristy anay koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA789CBE-2AA3-4B4F-AC25-E24BB8F77414
8
Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin'ny fahefanay izay nomen'i Kristy anay hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5B882BF-B4CF-4971-81E5-4D11B697D4B0
9
mba tsy hisehoako toy ny ta-hampitahotra anareo amin'ny epistily.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B1D5B04-7DE6-4CA1-8CAE-252907B0EAEF
10
Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan'ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0489393F-8321-45D9-B990-9C83E1EBD2F2
11
Aoka izany olona izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin'ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay, rehefa tonga izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF8B0915-750B-4C1F-935D-E6C06B2B39D7
12
Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan'ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenany amin'ny tenany sy mampitaha ny tenany amin'ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1A7641E-3397-422B-8A5A-5ADC56DB1191
13
Fa izahay tsy mba hirehareha tsy amin'ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr'Andriamanitra ho anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43AC5C6F-89BC-44B1-91F6-E47F90CD80CD
14
Fa tsy toy izay tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay, fa tonga hatrany aminareo aza izahay amin'ny filazantsaran'i Kristy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF423C5E-1232-44E8-A313-471EFBAC870F
15
tsy mirehareha tsy amin'ohatra amin'izay nisasaran'ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka ny voafaritra ho anjaranay, sady mbola handroso ihany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38E5DE01-2D77-4CEF-9F85-17BA7C19B1F0
16
ka hitory ny filazantsara amin'ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin'izay efa vonona rahateo ao anatin'ny voafaritra ho an'ny sasany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9694DBE-837A-4489-A44C-5071D11E925C
17
Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany (Jer.9.23).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D136E383-4D0E-4B3A-9080-C6D0AA3604FC
18
Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C28CFF60-1660-4F02-A1AB-7C5CE920248C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany