Andininy
Protestanta Malagasy
1
Enga anie ka mba handefitra amiko amin'ny fahadalana kely hianareo, kanefa mandefitra amiko ihany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8609B3A3-05B2-43A5-B004-D904BD84B3C3
2
Fa fahasaro-piaro araka an'Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofom-badin'ny lehilahy iray hianareo, mba hatolotro tahaka ny virijina madio ho an'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB6B9143-5317-4193-B6E6-2F68BACB6F35
3
Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|291F3C0F-98C7-40FD-8F9A-06417ECEAF17
4
Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na hianareo mandray fanahy hafa na filazantsara hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|628FA52F-31AF-42B6-9BE1-8EE45DA9F5A2
5
Fa ataoko fa tsy misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E681ECCA-E1FC-4051-A932-C02967F4BC65
6
Fa na dia olona tsy nampianarina lahateny aza aho, dia tsy mba tahaka izany aho amin'ny fahalalana; fa tamin'ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin'ny olona rehetra izany hahasoa anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B24D499-A2C1-41F3-B392-6BFE736D1A2F
7
Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D53777CD-717E-4543-BAA3-EFBD9565C217
8
Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84936085-A36F-410F-83EC-EDD13948C928
9
Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin'ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A56D2C1B-803E-421C-8811-1D3BCDB3BE12
10
Raha ato anatiko koa ny fahamarinan'i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin'ny tany Akaia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76307BFD-E2CC-4CEE-B9BA-DCE193BE62B2
11
Nahoana? Satria tsy tiako va hianareo? Andriamanitra no mahalala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C643B66F-1DD0-472B-B95F-7CC897F54AE6
12
Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan'izay mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izy amin'izay ireharehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4806D19-83BA-4137-9FC4-2385061CFBBD
13
Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F71260A-4CBB-4D92-9A85-B73CF7D9E171
14
Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAE51BB5-56F2-4ADD-9653-ADC5FF3C70C0
15
Koa tsy dia zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33D3929D-2C9F-47E3-AF88-1D10FFFB1EC8
16
Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C510D15-0EFB-40ED-B33B-2B779756288D
17
Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin'ny fahadalana amin'izao rehareha matoky izao ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A440DFE4-2C63-49CA-89E0-FE46191F6979
18
Satria maro no mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehereha koa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|728875B4-17CB-4F81-BB0D-AB8F6E64BF1D
19
Fa sitrakareo ny handefitra amin'ny adala, satria hendry angaha hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3CF317C-B5E0-4607-82C0-BCBC7A2FE05F
20
Fa hay! Mandefitra ihany hianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5C5EF17-C847-48F2-AABC-DC6701433A97
21
Manala-barà-tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin'izay mahasahy ny olona (miteny toy ny adala aho), dia mba sahy koa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D05C1C3D-CBF8-4140-884F-CEBC080D38FB
22
Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak'i Abrahama va izy? Izaho koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4724ACA-3C13-493E-861D-FD1B27D6C8E9
23
Mpanompon'i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin'ny fisasarana manan-tombo, amin'ny trano-maizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be efa izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4230EE40-0202-4645-9C63-9FBD3EDD6C6D
24
Indimy aho no nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC7B4C62-9D6E-4814-947D-1DFD0752D63E
25
Intelo nokapohina tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin'ny lalina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0587A1F3-07B8-4E43-9B76-DEB5DAD0504F
26
nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin'ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny rahalahy sandoka aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDD2214C-49D5-4AB3-AC75-F2A71A8D2258
27
tamin'ny fisasarana sy ny fikelezan-aina, tamin'ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin'ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka sy ny fitanjahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69E062CB-D91F-4423-8653-741C5349F66E
28
Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan-andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D026404-3199-4F10-9FB0-6E25A25A557E
29
Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC602677-4DA7-4D83-B3EA-6AB05B32C32B
30
Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDCEDDC0-C3D6-41CF-8624-1625E3FBFA1D
31
Andriamanitra, Rain'i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1F02BFC-3268-4681-804E-1CFE8ED08DA0
32
Tany Damaskosy ny governora notendren'i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9525DD22-EF38-44B8-8DA0-D78F326D3BEF
33
fa avy teo amin'ny varavarankely eo amin'ny mànda no nampidinana ahy tamin'ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC21D18B-A868-4039-BB9D-A3C3FA0D6A4C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany