Andininy
Protestanta Malagasy
1
Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53F8799B-6C26-4BF9-B9F1-B9D89FBB1F16
2
Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakin'ny olona rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE04FC99-24A9-4E60-8887-DF14F2F4C5CF
3
eny, aseho ho epistilin'i Kristy izay entinay hianareo, tsy nosoratana tamin'ny ranomainty anefa, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona, tsy teo amin'izay tena vato fisaka, fa teo amin'izay vato fisaka nofo, dia ny fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52ED050D-55CA-4B06-AFAF-640F2AE248AB
4
Ary manana izany fahatokiana izany ny amin'Andriamanitra izahay amin'ny alalan'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0B078DE-B4C5-4BBB-BEBF-D8652FF24CD3
5
Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin'inona na amin'inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|631A4B9B-753B-40F3-B32D-34A66C24CFBB
6
Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|062737ED-2A7E-4DA0-A598-0E8945B4D87C
7
Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin'ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak'Isiraely tsy nahabanjina ny tavan'i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany, izay nihalevona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEE87D1B-DAD0-4DA6-9F39-EA68BD818814
8
tsy mainka hisy voninahitra va ny fanompoana omban'ny Fanahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5858DE87-7EF0-457E-9A63-55F3A3AC4B5F
9
Fa raha nisy voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana, mainka hanan-tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B91B68CE-B807-491E-B502-6526B439C129
10
Ary izay nisy voninahitra aza dia tsy manana voninahitra kosa amin'izao noho ny voninahitra izay manan-tombo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16747310-0240-4978-800F-AD8D26A916F8
11
Fa raha ny nihalevona aza nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra no misy voninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC9DE49C-9B42-41ED-844D-9ED43778E4D1
12
Koa amin'izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10B3E620-9BFF-4904-9F46-BEE71D902D76
13
ary tsy tahaka an'i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin'ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan'ny Zanak'Isiraely ny faran'izay nihalevona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99160D2E-A456-4F46-ADBC-4366371B1CCE
14
fa efa donto ny sainy; fa ambaraka andro-any dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin'ny fanekena taloha, satria ao amin'i Kristy ihany no anesorana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|698364CE-E303-468F-9C00-734F23C4E8B3
15
Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka andro-any, raha vakina ny tenin'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1EB88CA-D7ED-49E5-B464-0F05463F3F54
16
Kanefa rehefa miverina amin'ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C71A84A-0466-4F93-A0F2-F8783521F1FA
17
Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|235C9D4D-A4A5-46AA-A9EF-D907926C69BB
18
Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74600012-0987-44ED-B398-1CD34B98ABD4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany