Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary amin'izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindrampo, dia tsy ketraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|571E616C-F411-49B4-BABE-6497C198D36A
2
Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D52CC4A6-8B04-4AC4-8666-C05177E9F4BF
3
Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin'izay ho very izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36E9C7D2-EE37-423C-98E7-7DA13FF497D5
4
izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45B5D9B3-A246-4269-BD07-15A0C09FD6D2
5
Fa tsy ny tenanay no torinay, fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0230C2C-F5BD-4C67-A2D8-0FCDE6018FB3
6
Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin' ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3791393-B8F0-4A3D-8B95-325E73FABDFF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany