Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika ety an-tany, dia manana izay voarafitr'Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tànana izay maharitra mandrakizay any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B746B8C3-1936-4BF3-BDC0-B4039D1BA057
2
Ary misento ao anatin'ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3C25D1D-BEE0-459E-AFA3-597A9C7EA8B4
3
fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F97AD08-1DC6-4214-A47A-EBDD8CE3235A
4
Fa isika izay amin'izao lay izao dia misento noho ny mahavesatra antsika, satria tsy tiantsika ny hendahana, fa ny mba hotafiana koa, mba hatelin'ny fiainana ny mety maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|675EDA4E-DC8B-452C-9F78-E5FD115B858E
5
Ary Izay efa namboatra antsika ho amin'izany indrindra dia Andriamanitra, Izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2D1E59B-C8A0-41CD-B765-A7980BA0F25F
6
Koa matoky mandrakariva isika, ka fantatsika fa raha mitoetra eo amin'ny tena, dia tsy mitoetra any amin'ny Tompo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A63B6CFE-5A62-40A5-93DC-41CFCA5DDFD9
7
(fa finoana no andehanatsika, fa tsy fahitana);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA29FFA0-85BB-4517-BB12-B5248CBBEA6C
8
eny, matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin'ny tena, fa ny hitoetra any amin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7383EE29-B011-4283-8044-47CC27360571
9
Koa dia ataontsika ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra, na tsy mitoetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A835B2AB-CE0C-4292-BDEB-CF1E942A79E6
10
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin'ny fitsaran'i Kristy, mba handraisan'ny olona rehetra izay zavatra nataon'ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9856FCEE-0E3B-4B6F-AE2A-21BC80994B83
11
Koa amin'izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay, fa amin'Andriamanitra kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin'ny fieritreretanareo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87D2C833-C7E7-4819-8316-27B78A983100
12
Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin'ny miseho ihany, fa tsy amin'ny fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CD7C587-E229-4E3E-A02A-9FFC0D986F5A
13
Fa raha very saina izahay, dia ho an'Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BE735CE-F029-4DEB-AD52-87EE5FEC98DF
14
Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao ho hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2578AC48-16A2-49D1-A36F-73080E288174
15
ary maty hamonjy ny olona rehetra izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA2BEAEA-9F48-4218-9B89-88F99312FADC
16
Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an'i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FD3405C-7647-4166-8FB8-AD535CFEE1EF
17
Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FC0455D-2A8F-4622-8C1B-3DA5E3862A06
18
Fa izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65A26D5B-11D3-4ACD-95F8-AA1F34710CE7
19
dia izao: Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D6D7839-81F4-42ED-83B5-573AFB9E0FE5
20
Koa dia iraka solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon'i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra anie hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|135C89EC-77D1-47E8-BB52-14176EF92302
21
Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E03C8057-D6C3-481A-B292-8A129D13EBEE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany