Andininy Protestanta Malagasy 18 Fa izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, 19 dia izao: Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana. 20 Koa dia iraka solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon'i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra anie hianareo.
|