Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ampahafantarinay anareo, ry rahalahy, ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena tao amin'ny fiangonana any Makedonia;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BF97A64-F1DA-4B92-A25D-38CBE6FC48D3
2
fa tamin'ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan'ny hafalianay, ary ny hamafin' ny fahantrany no nampitombo ny haren'ny hitsim-pony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A949D0D0-0654-427F-842C-8F9893218DC0
3
Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA866B46-C450-43C1-BF96-1900C1D2B382
4
sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin'izany fanompoana ho an'ny olona masina izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE07110D-4219-4898-9F5B-CA71F1B73776
5
ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an'ny Tompo aloha, dia vao ho anay koa noho ny sitrapon'Andriamanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50E0F1D8-2A26-447C-871A-8AD79E5201AA
6
ka dia nangataka an'i Titosy izahay mba hahatanteraka izany fahasoavana izany eo aminareo koa, araka ny efa nanombohany azy teo aloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F7E323D-801E-4E35-A849-462B5A6BD464
7
Fa araka ny itomboanareo amin'ny zavatra rehetra, na amin'ny finoana, na amin'ny teny, na amin'ny fahalalana, na amin'ny fahazotoana rehetra, na amin'ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin'izao fahasoavana izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8753F1EB-6E1A-4071-8E9C-0A1CD17E98B7
8
Tsy milaza izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon'ny sasany mba hizaha toetra ny hamarinan'ny fitiavanareo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5476CB6E-5E88-4F16-B2A3-78C5AA55BF6C
9
Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D45C755-5654-4539-AA1D-85B8B1140B21
10
Ary dia ambarako izay hevitro ny amin'izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan'ny sasany hatry ny taon-itsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E470898-CACE-49E1-8DFB-912DDDB6E536
11
Ataovy tanteraka ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa ny hahatanterahanareo azy araka izay anananareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A15BF263-EA07-47F9-8309-98D2A6EB23A7
12
Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B82A75BF-AC17-4DB3-A010-57A37925B316
13
Kanefa tsy ny hahatonga fitsaharana amin'ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3AB71C9-E02B-425F-8905-B6A32F8F5E16
14
fa ny mba hisy fitoviana, ka amin'izao ankehitriny izao ny haben'ny harenareo no hahafaka ny alahelon'ireo, ary haben'ny haren'ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDD0B3F5-4F63-4C46-988B-B35311676884
15
araka ny voasoratra hoe: Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy(Eks.16.18).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A02EE45C-888D-4F2C-9C9C-7FFBBBDBEE5F
16
Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon'i Titosy ho anareo mitovy amin'ny ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|583505F0-42A1-4A63-9470-9A248BD1386E
17
Fa nanaiky ny fangatahanay ihany izy, nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany nankany aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42BA57AC-0901-41BE-A24C-55FCF47D534E
18
Ary ilay rahalahy izay malaza amin'ny filazantsara any amin'ny fiangonana rehetra no nirahinay hiaraka aminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|936E56CD-D121-4328-80AD-772752FD6AB0
19
ary tsy izany ihany, fa efa notendren' ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon'ny fahazotoanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58EAC7F1-89FD-453B-8891-441FFDC7C018
20
Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin'izao harena be angoninay izao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C38E4681-AA36-4401-8DC1-5BF0522987A5
21
fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason'ny Tompo ihany, fa eny imason'ny olona koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42292423-48BD-424B-BB28-5871B41BCD9B
22
Ary nirahinay niaraka tamin'ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin'ny zavatra maro, fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben'ny fahatokiany anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D31F54F6-FEDA-4E32-802F-0289D32B5A9C
23
Raha ny amin'i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahiny, dia iraky ny fiangonana izy sady voninahitr'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84683A30-63A9-46B3-9A0E-7559C38E1CD7
24
Koa amin'izany asehoy aminy eo imason'ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F18FC49B-73CA-4218-92F6-E321A954C0EB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany