Andininy
Protestanta Malagasy
7
Fa araka ny itomboanareo amin'ny zavatra rehetra, na amin'ny finoana, na amin'ny teny, na amin'ny fahalalana, na amin'ny fahazotoana rehetra, na amin'ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin'izao fahasoavana izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8753F1EB-6E1A-4071-8E9C-0A1CD17E98B7
8
Tsy milaza izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon'ny sasany mba hizaha toetra ny hamarinan'ny fitiavanareo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5476CB6E-5E88-4F16-B2A3-78C5AA55BF6C
9
Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D45C755-5654-4539-AA1D-85B8B1140B21
10
Ary dia ambarako izay hevitro ny amin'izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan'ny sasany hatry ny taon-itsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E470898-CACE-49E1-8DFB-912DDDB6E536
11
Ataovy tanteraka ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa ny hahatanterahanareo azy araka izay anananareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A15BF263-EA07-47F9-8309-98D2A6EB23A7
12
Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B82A75BF-AC17-4DB3-A010-57A37925B316
13
Kanefa tsy ny hahatonga fitsaharana amin'ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3AB71C9-E02B-425F-8905-B6A32F8F5E16
14
fa ny mba hisy fitoviana, ka amin'izao ankehitriny izao ny haben'ny harenareo no hahafaka ny alahelon'ireo, ary haben'ny haren'ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDD0B3F5-4F63-4C46-988B-B35311676884
15
araka ny voasoratra hoe: Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy(Eks.16.18).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A02EE45C-888D-4F2C-9C9C-7FFBBBDBEE5F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany