Andininy
Protestanta Malagasy
8
Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E378F96D-2347-49D5-9916-5A17079F046E
9
araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; ny fahamarinany maharitra mandrakizay(Sal 112.9).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53E4F475-D1BD-473F-A146-EBCEE76F835A
10
Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C3D8735-59BC-4E0A-885C-62E2D16DE368
11
dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo ka handroso amin'ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|653D0783-D4C2-44D1-B81D-D45E7E735495
12
Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon'ny olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA507896-D6D9-408F-9F77-88E2AEE29D30
13
satria ny fizahan-toetra anareo amin'izany fanompoana izany no ankalazany an'Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran'i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin'ny fiantrana ho azy sy ho an'ny olona rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1985C9D-0D3F-4573-8DEF-F5434A7E8AEB
14
ary amin'ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben'ny fahasoavan'Andriamanitra aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF292F47-D52A-41DB-A980-D7FA46256D12
15
Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27DF6309-193B-41C6-AA64-4AD2141F27ED
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany