Andininy Protestanta Malagasy 1 Paoly Apostoly - tsy avy tamin'olona, na tamin'ny alalan'ny olona, fa tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin'ny maty - qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69E52FEC-1C3A-41EC-ADDA-03FD4B25CF53 2 mbamin'ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana aty Galatia: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2444ADEF-F276-47A5-940D-B2A05ECB36B2 3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7033FE86-166A-4001-BE78-C4E0D891321C 4 Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy izao [izao andro ratsy izao], araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB9A5B86-D1C0-4CFE-9BFE-816EAB820299 5 ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5555B5B9-1232-4F0C-8526-E11A34E2A495 6 Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao hianareo hiala amin'Izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A368486-038E-49D1-B4C1-D0F3772FA4FB 7 izay tsy filazantsara akory [anankiray koa], fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B3489A9-A0C1-4652-8BC5-7DEE033336F4 8 Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy [manohitra] izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09D74D2A-5D4E-4933-A37A-6F7074D7C6F8 9 Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1CA6425-F6F5-4A53-B9B1-482C92C5698A 10 Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52F3F488-895E-4912-88AE-F01062B4AC62 11 Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB2034BB-0619-44B3-AF03-752E555FB46A 12 Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABDE4CE1-55EC-4536-8BC0-AD088D48EA1E 13 Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny jiosy, fa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10FBB2D9-1D2B-4488-B07F-124AEFC315C0 14 ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92B3D2C7-7B34-4602-B153-6ED29785C715 15 Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kipon'ineny sy niantso ahy tamin'ny fahasoavany, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF86BB55-9647-4646-967D-FDAF69D40C20 16 ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-dra aho, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90029ECE-8FC6-481F-BE02-1A92C2FF83D9 17 ary tsy niakatra tany Jerosalema aho ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B47178D2-8A8A-414F-904B-28B1D70A0C0A 18 Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin'ny folo andro. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CB36467-18D3-4158-B128-390085D2B3AF 19 Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba [fa Jakoba kosa], rahalahin'ny Tompo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|991F41F8-D120-495E-BA8C-37742A23D25E 20 Ary izay zavatra soratako aminareo, indro eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1878C6F-5B70-44BC-91F0-2DECF3538616 21 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BD74143-887B-4858-92F3-59CE6B5DA5CA 22 ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC7893AD-E500-4B84-899F-A0FB39D66808 23 Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6DA38ED-2655-4FF6-9613-580564394BB2 24 Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E0D794C-AF3F-4AF4-BE39-1A7B9F8E44FA
|