Galatiana 1: 1-24

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Paoly Apostoly - tsy avy tamin'olona, na tamin'ny alalan'ny olona, fa tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin'ny maty -
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69E52FEC-1C3A-41EC-ADDA-03FD4B25CF53
2
mbamin'ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana aty Galatia:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2444ADEF-F276-47A5-940D-B2A05ECB36B2
3
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7033FE86-166A-4001-BE78-C4E0D891321C
4
Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy izao [izao andro ratsy izao], araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB9A5B86-D1C0-4CFE-9BFE-816EAB820299
5
ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5555B5B9-1232-4F0C-8526-E11A34E2A495
6
Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao hianareo hiala amin'Izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A368486-038E-49D1-B4C1-D0F3772FA4FB
7
izay tsy filazantsara akory [anankiray koa], fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B3489A9-A0C1-4652-8BC5-7DEE033336F4
8
Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy [manohitra] izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09D74D2A-5D4E-4933-A37A-6F7074D7C6F8
9
Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1CA6425-F6F5-4A53-B9B1-482C92C5698A
10
Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52F3F488-895E-4912-88AE-F01062B4AC62
11
Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB2034BB-0619-44B3-AF03-752E555FB46A
12
Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABDE4CE1-55EC-4536-8BC0-AD088D48EA1E
13
Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny jiosy, fa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10FBB2D9-1D2B-4488-B07F-124AEFC315C0
14
ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92B3D2C7-7B34-4602-B153-6ED29785C715
15
Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kipon'ineny sy niantso ahy tamin'ny fahasoavany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF86BB55-9647-4646-967D-FDAF69D40C20
16
ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-dra aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90029ECE-8FC6-481F-BE02-1A92C2FF83D9
17
ary tsy niakatra tany Jerosalema aho ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B47178D2-8A8A-414F-904B-28B1D70A0C0A
18
Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin'ny folo andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CB36467-18D3-4158-B128-390085D2B3AF
19
Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba [fa Jakoba kosa], rahalahin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|991F41F8-D120-495E-BA8C-37742A23D25E
20
Ary izay zavatra soratako aminareo, indro eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1878C6F-5B70-44BC-91F0-2DECF3538616
21
Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BD74143-887B-4858-92F3-59CE6B5DA5CA
22
ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC7893AD-E500-4B84-899F-A0FB39D66808
23
Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6DA38ED-2655-4FF6-9613-580564394BB2
24
Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E0D794C-AF3F-4AF4-BE39-1A7B9F8E44FA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany