Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ry Galatiana adala, iza no nanimba [namosavy] anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an'i Jesosy Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73B94D2E-AFA6-4473-8F3A-866AE0776DF8
2
Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan'ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana? [fandrenesana amin'ny finoana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDDA83CB-5CF9-4EBC-99D3-5B888C4162FC
3
Adala toy izany va hianareo? Rehefa nanomboka tamin'ny Fanahy hianareo, dia hahatanteraka amin'ny nofo va ankehitriny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32AD392F-054A-4B5C-9637-A51BED22FC0F
4
Moa mizany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB15A37E-AF52-4BBB-A987-9D76EC41897B
5
Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny lalàna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46E1B3F2-3569-4DE5-996A-E3EF90404366
6
Dia tahaka an'i Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D4EDC91-D4B8-4950-8DFF-17FD4B242E5F
7
Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6649F054-E0BB-43D3-83E2-6D62D45BDC97
8
Ary satria hitan'ny Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin'i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra (Gen. 12. 3);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E930F449-75FD-457A-B6FB-9E6AEC96B1D3
9
ka dia izay amin'ny finoana notahina mbamin'i Abrahama mpino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|064E988E-7704-44EE-BB81-D5907BDA42A9
10
Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankato ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna. (Deo. 27. 26).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49CA778F-A36E-4FB6-A5EB-716ECE81E0B0
11
Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona[ny marina ho velon'ny finoana](Hab. 2. 4). Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E089A61-1D05-4448-8E6B-2EA65E17FE18
12
Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8855E8D-F135-42F0-B030-6400948E9CC1
13
Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deo. 21. 23),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBD58260-1608-4614-BD97-D5C2496E8810
14
mba ho tonga amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2E1275D-F595-47FA-819E-32DD7055BA4A
15
Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena [didim-pananana] ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2814911-C699-4AA8-9B4C-CB7FC57451B5
16
Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an'ny taranakao (Gen. 22.18), dia Kristy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1BB72C3-6DD4-4CE8-BEE3-59EF42E5A082
17
Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona taty aoriana, hahafoana ny teny fikasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EC2AB38-0D20-4FE0-AEE7-F640D8D85E68
18
Fa raha avy amin'ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA5A60FE-3E35-49EA-BFF3-DA5F8A8FEFB0
19
Inona ary ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EA17B9F-9F82-4586-B0CA-4F161089C2D0
20
Ary ny mpanalalana dia tsy an'ny irery fa Andriamanitra dia iray ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6049D4A3-548C-4C9A-BC7F-66E63C9E29BA
21
Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16082FA2-76AB-4A6D-9AD5-E9D49C4BC1E9
22
Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an'i Jesosy Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C73531AA-27C2-4398-9E3E-34B7273F58DB
23
Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72C58157-ECFD-4784-BE65-93B795469456
24
Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28E38834-5111-4BED-8DCC-7DF8687711EB
25
Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83D60197-1131-49CE-9AA7-A46D4E651150
26
Fa hianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04B4633D-BA91-491B-95C3-51FE04B78EBC
27
Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B92F3313-D717-4B19-8F7C-88864C1BDF1D
28
Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0358484-CC42-463A-9F98-CA9C89264B2F
29
Fa raha an'i Kristy hianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED56F17B-C3DB-4E83-85CF-556881ECA6E1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany