Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4070B88-EB87-4153-8D5D-0C2F01634251
2
fa fehezin'izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|798711B5-DECA-4834-AFFD-D412213115F9
3
Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zava, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BECC5CD9-D84E-4512-AC2F-D2FF06052992
4
fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F32F27A-16D7-4904-9317-A02008896575
5
hanavotany izay ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganananaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|676F1017-D8FB-4D66-9756-BF40BDC3D99C
6
Ary satria zanaka hianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A78FE5F2-FECF-4EF2-B47F-61E699621315
7
Ka dia tsy mpanompo intsony hianao, fa zanaka; ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F03D50E4-7753-4BA2-B015-83B77BB8FD47
8
Kanefa tamin'izany, fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra hianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC21DAEE-3A32-40A9-8AEA-9336BA803A3D
9
fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra hianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana hianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E7B143D-C165-48DE-B0D6-5B1AAFC0C68C
10
Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52295864-1EF6-40C1-BD93-AA37F3C60FC7
11
Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD737028-6258-4F13-93BC-4B269BDB7638
12
Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy hianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A2A5BD5-9565-433E-88A4-2C1B887DD5B0
13
nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen'ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin'ilay voalohany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C2BCF1F-6E66-491D-801F-21140112022C
14
ary ny teo amin'ny nofoka izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin'Andriamanitra hianareo, eny, dia tahaka an'i Kristy Jesosy aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54664AA2-20A9-4A43-A2C1-C5EB1F102941
15
Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo natao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|367250F4-F7CE-4474-A51E-18B3B7B7E769
16
Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|135B3914-E8DE-4D2D-A7D6-DC6579447003
17
Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A5EEA0A-7FDD-4F8E-93E2-9BAB75A42F13
18
Fa tsara raha ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B1E262C-FAEE-4EB1-BE52-52622CBEA09B
19
Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2955C45C-5F36-41D8-82C6-4EA11E675F22
20
enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E87438DF-A433-4CE5-A541-6C72137EA7DC
21
Milazà amiko, hianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9732D6FE-7DC1-495D-A243-9764B10482F5
22
fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny anankiray tamin'ny tsy andevo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D03EDE4D-CD1A-4F1F-962F-746EB9A930F4
23
Kanefa ilay tamin'ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin'ny teny fikasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE30268A-0EDF-46FA-AF8E-86CBA9B11C8E
24
Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37080E5D-A559-46BD-985A-9CB19830E9F8
25
Ary [Fa] ny hoe Hagara dia tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB170DE7-328F-42B4-8461-1AEADA5708FA
26
Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A6A49A0-1FBD-40F0-90F4-6C7A0270B656
27
Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, hianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manam-bady (Isa. 54. 1).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|800B48EE-ED89-4F75-A822-281AA944CBB4
28
Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'Isaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98781AF2-7685-428D-9300-8207347796E1
29
Kanefa tahaka ny tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0F30286-6726-49A3-AA40-4B2801E47048
30
Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevovavy io sy ny zanani-lahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C442122D-E9F5-4F52-A50B-DFD09E6AF736
31
Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6A6FFC4-96B0-457B-B69C-7FCB4F92DC6F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany