Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4642BB70-CC5C-479C-8031-10B6FFF41F23
2
Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana hianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A163A335-D71F-4797-A969-6412EB8BF3B2
3
Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankato ny lalàna rehetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C77C943B-4B04-4528-B5A0-32C3F4009E82
4
Dia tafasaraka amin'i Kristy hianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F339824C-6638-4A91-AD27-93968D946F28
5
Fa izahay amin'ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana [fanantenan'] ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F904189A-733C-4821-8086-6A5858E99D1F
6
Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BB35DC7-62A7-46ED-A644-7F3D4ABAFC8E
7
Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D2D6350-7E1E-4FEE-A382-3EDEF84CEBFA
8
Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin'Ilay miantso anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F22E05D3-194A-489E-9EAC-F3CDCE2D9406
9
Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|644F61F7-9D5F-4A0E-9DB3-40DFC23F162E
10
Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory hianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FCB2CE5-1BB0-4FEB-932A-F1C2BA05E87C
11
Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BF70209-6A2E-4795-A01D-F346952D0ABE
12
Enga anie ka hiesotra [hanakilema tena] aza izay mampitabataba anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F858AD61-6C4D-4388-91F4-0B66EBC14BE8
13
Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifanompoa amin'ny fitiavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|932489A0-6FFC-45D4-A3E9-019D365BD8E8
14
Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17CF983E-4833-4766-A99C-90095D93AA0B
15
Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAB6F1FA-EBF0-49FF-A285-D804C4D49FF9
16
Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3A972A1-91C9-41DC-87D7-5DCE2126D891
17
Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|869FEB69-ADFE-4BD1-8487-8CA132BE982D
18
Fa raha tarihin'ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E8A2398-D269-476E-A7F8-0E7E1DDB9E5D
19
Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8102F609-F2E2-4D65-A18E-C5B59B88ABF9
20
fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16A3EB7E-E2FB-47EE-8C11-D4B715A94591
21
fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D01C5079-8126-48AA-8EC9-727834CB5917
22
Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C4763BD-2DCD-42E1-8617-51635803F173
23
fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2BBC3BC-B3B8-4EF2-A95A-51408FA5D780
24
Fa izay an'i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny tamin'ny hazo fijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56D768B0-DE3C-4F1D-84B5-AC2B7B2178C5
25
Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|649AE3C1-90A0-4862-8B06-C6A865E16EF1
26
Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD8B00D8-9BBA-428E-8332-D4F71642AE84
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany