Galatiana 6: 1-18

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza [azo olan-tànana amin'izay fahadisoana aza], dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|753B9BB0-E687-4497-9AB3-70D5DC7A1163
2
Mifampitondrà izay mavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A86ED870-F6DE-400B-812F-D16BBEB63552
3
Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|758CC8BC-A1C8-4894-8904-4A7E4EACC7C2
4
Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin'ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin'ny olon-kafa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11B20280-FA14-4914-9923-D0782145D13B
5
fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B09943A-3BF5-41F8-AB95-357D8447C5FE
6
Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa hoa an'izay mampianatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9312A4A5-4DBF-43F0-AE8E-38403B12061C
7
Aza mety hofitahina hianareo; fa izay afafin'ny olona no hojinjainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C221FD2-82B8-40EE-8FF8-8E6C203E7570
8
Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63B6438F-9B89-4EBB-BDD4-B14B2E64A00F
9
Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53ADAA88-CB4E-4CEF-8D92-CEB535882442
10
Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BADB37FD-A70D-4614-BC64-A36D54D143C8
11
Indro ny havaventin'ny soratra izay soratan'ny tànako ho aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B11615D-FA6E-44BB-9DDB-DBCE757DCE56
12
Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin'ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany: fandrao henjehina noho ny hazo fijalian'i Kristy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB7CCE55-3284-46F5-8C63-8288EBF92EF2
13
Fa na dia ny tenan'izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany hoforana koa hianareo, mba hireharehany amin'ny nofonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2C106FC-793F-4A14-9F88-6FB34F5D1EB4
14
Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay [izay] naha-voahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa raha ny amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18FE7835-994D-4B92-ACE1-ECD0B594B541
15
Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E196EBD8-C763-48BD-9C82-322DD53DB217
16
Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindrampo, ary hoa amin'ny Isiraelin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A003577-699B-4185-94C9-C6C0C3CCEAB9
17
Amin'izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik'i Jesosy voatomboka eo amin'ny tenako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59118509-C77F-483A-BBE3-9A9130996DB0
18
Ho amin'ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C506A35-503B-46B2-8E6F-7ACD37545A37
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany