Efesiana 1: 15-21

Andininy
Protestanta Malagasy
15
Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay hitan'ny [ny finoanareo an'i Jesosy Tompo sy ny fitiavanareo] olona masina rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3FC95D6-22C7-4FE0-8D3B-21150DB98356
16
dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEDF5F07-F089-4E71-AEC7-45952BFDA23E
17
mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCCF49BA-8460-4F46-9FCA-606F20BC7E3C
18
ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9549888F-E9F8-47B7-93E1-495A151C5803
19
ary ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan'ny herin'ny faherezany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E61EE90E-373D-475A-86CE-EFE5FE81C6C4
20
izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin'ny tànana ankavanana any an-danitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BDD5692-4086-4FDF-8721-2CE97EECBCCE
21
ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC8E2E48-199B-479F-889F-B70E894EE8BA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany