Andininy
Protestanta Malagasy
11
Koa tsarovy fa fahiny hianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tànana teo amin'ny nofo hoe 'tsy voafora', -
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD019A51-429C-4AB2-BA8E-4925E7A23AEF
12
eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy hianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamamnitra teo amin'izao tontolo izao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A390CEF6-36A1-4053-86E6-9A376487E0C9
13
fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy hianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17EF4112-0CDE-468D-AEDF-BEF1A0EA1F1D
14
Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|002B3E0D-57AC-43C0-B42A-2252EEB97012
15
fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna misy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D576D55-AE9B-40DD-81F5-5C6F14D0C260
16
ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|268AF5E8-9BC0-4EAF-92F1-8FDD75EA471C
17
Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana [fiadanana] taminareo izay lavitra ary fihavanana [fiadanana] tamin'izay akaiky koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7D7CDE4-D897-48B0-BF4D-BE441CC1D4B0
18
Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52C9A9A1-C3F6-41F6-99D5-9555DCD793E4
19
Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67A652D7-8482-46E9-92B4-4606D7C9BC80
20
natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2B9E6D7-0982-4A70-8C30-6620B0323C89
21
ao aminy no irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55A15E10-25B9-48E0-AF9E-8620B4E349A3
22
Ary ao aminy no miaraka aorina koa hianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|397479C5-EC38-407B-869E-D9F80F9C58CF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany