Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, -
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31E4A636-7E3A-4AFD-BEA7-06E4FC53FF31
2
raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C0BF877-EA49-4628-912E-DBFBF8B157A8
3
fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B70C9F20-88E0-4B1F-B909-68546B7A8459
4
Ary araka izany raha mamaky hianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny aza-niafina ny amin'i Kristy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C30AAF2-1C62-4973-AC6B-5319277D19D8
5
izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran'ny fanahy ankehitriny amin'ny Apostoly masina sy ny mpianany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDF8DA07-EB7D-4BA6-8D2A-E667F534AE10
6
dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54AF44CB-3144-4C13-96BC-383790635440
7
izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan'ny heriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|755E7CD3-45CF-436A-8998-0F9AB49851E1
8
Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jenitilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F39B084E-6B99-40F7-A759-099C4EE6A64E
9
ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia ilay voàfina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13E97312-924C-4E7A-9B71-9A97F7869F2A
10
mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|965E8073-5611-4D23-A8CD-DACEB9B79807
11
araka ny fikasany hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D2D5E8E-0C13-4124-8AA8-4874AA969EF9
12
Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EC903EB-37A6-4E69-B926-92097B2C4994
13
Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AB0E3A2-39D9-4F79-90BF-BB0E48035D2C
14
Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|930A8365-3446-4B21-B2D5-50FA556B823A
15
Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany anarana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CCCE156-E386-42EC-95B9-DAFA501DE42E
16
mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E9D1340-D5C9-4A51-9731-A09D97E16BCB
17
mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana hianareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|766CD22E-F2AD-46A3-87CF-A801E1A670B0
18
mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halaliny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFD291FA-ED11-47F6-B190-7481DBD1DC83
19
ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04BECD31-AD02-4176-886B-5533EB53AD35
20
Ary ho an'Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E01992F-134A-487D-9318-F11FAB324B43
21
ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DD2B4F8-32DB-42DB-B8DE-439B71FBA931
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany