Andininy Protestanta Malagasy 11 Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64F7C806-E2DF-4063-89A1-72936430F835 12 ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1ECFEB3-6551-4131-8039-105332662CAF 13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5125F8F6-9CF1-4F8A-BFC5-2BC634B51F24 14 mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimboleni'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE83EF03-B2A7-47C9-A141-104DD26ABBD6 15 fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny zavatra rehetra ho amin'Izay Loha, dia Kristy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CD8C068-B17B-4C8B-AA57-364439D43CC3 16 Izy no itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy ampiraisina tsara) noho ny fifanompoa'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37B41398-D287-4BE4-A526-508B28D05900
|