Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D095BCF-F88B-433F-A0BA-DF97993B3DC6
2
ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana [fanatitra alatsa-dra] amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|742D0958-D317-4273-80F5-EE44ED0C07CD
3
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE8D698D-4729-4199-9750-F05D6325DFF3
4
na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na vosodratsy, izay tokony hatao, fa aleo misaotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|706B7124-18D4-4724-BB67-0767BE23D38D
5
Fa fantatrareo marimarina, fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E21C5FC-885C-4B8E-9526-1A9DE5675C90
6
Aza mety hofitahin'olona amin'ny teny foana hianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9AF43F2-2E8B-40D0-B25D-CE8D01FBEE5E
7
Koa aza mety ho mpiombona aminy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42877903-BF2A-46A2-821F-B6DEE33AC270
8
Fa maizina hianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|229D1DEC-F372-4860-9238-C382CA25B334
9
(fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56F5359D-98A5-4DE7-B689-931EC25E847A
10
mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E36F9AB-DAC4-4BB5-BB48-388E53E0220A
11
Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E2EEFD6-4AAA-415D-AA60-A8E70946D918
12
Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66FE13B6-18A1-41FC-96DB-B0AC2166C50B
13
Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53E2B48B-0191-456A-AF41-16CC5C0743AA
14
Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza hianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5893D3CD-9891-4E25-87E8-71FD14DD6124
15
Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3FB2E9B-052F-4875-B69C-A351ED4949C2
16
ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0630D985-40EE-4045-8806-06AC8BC9FDFA
17
Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5FF2261-348A-42C2-BD7F-B78EDC570D0E
18
Ary aza ho mamon-divay hianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, dia aoka hofenoina ny Fanahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19731050-1F98-40E0-9764-C5FF4F88F29E
19
ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5AE87D1-8B25-437D-8A5C-5A57CF99DB7B
20
misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1147FC90-C970-4A23-B037-282B35C623A5
21
sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95E47D77-8626-4887-A5AC-0859B4F96D77
22
Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACF6E504-C03D-4B93-BB48-4382F33AA2C2
23
Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12C2C6D8-E39E-4A8A-A0F4-A398E9022716
24
Fa tahaka ny anaken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6396EB0D-9B18-4ABB-8EEF-8E7D004ECB74
25
Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangoanana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|425DED01-C6EE-42E4-A387-51F5F96E3611
26
mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2244EEA0-75D8-4C08-9BBF-58A7DF96CDDC
27
mba ho raisiny [hatolony] ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentipentina, na fiketronana, ny izay toy izany, fa mba mho masina sady tsy misy tsiny izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D082A68A-8A56-447E-940E-FB475DD65893
28
Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC902ABD-439C-4F04-89A2-955544D07789
29
Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C9D3122-D457-4682-B059-383B29044423
30
fa momba ny tena isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|331D310E-29A2-44D7-B2DB-43D84CAB24F3
31
"Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa" (Gen. 2. 24).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A608BD5-D0B2-4243-B554-C41964B7B3EB
32
Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D763EDC-F010-45DA-9A8E-080C5A53CADC
33
Na dia izany asa, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja [hatahotra] ny lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9C48F08-ACD8-4999-82F0-41211C925E9B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany