Andininy
Protestanta Malagasy
15
Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3FB2E9B-052F-4875-B69C-A351ED4949C2
16
ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0630D985-40EE-4045-8806-06AC8BC9FDFA
17
Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5FF2261-348A-42C2-BD7F-B78EDC570D0E
18
Ary aza ho mamon-divay hianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, dia aoka hofenoina ny Fanahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19731050-1F98-40E0-9764-C5FF4F88F29E
19
ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5AE87D1-8B25-437D-8A5C-5A57CF99DB7B
20
misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1147FC90-C970-4A23-B037-282B35C623A5
21
sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95E47D77-8626-4887-A5AC-0859B4F96D77
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany