Andininy Protestanta Malagasy 1 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40792679-9ADA-4815-A729-1EDF5AD24AD2 2 Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B18A585A-38AD-4BCC-9877-45F9CCAB46A4 3 mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|060ED8D4-9D34-4209-9D62-B9442880D3E6 4 Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68E25BE5-C06E-44BF-8B91-BCBA6020B7D8 5 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3A51A58-7AC1-4389-B8EE-16B3A44C4A92 6 tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|077F64E5-C929-4B4F-A0C1-867CA8DCA0C7 7 amin'ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E479B314-45A1-48DD-AB83-4186467A90AA 8 satria fantatrareo fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|354E1DF6-279E-45EA-B7D6-2439B38AD4AE 9 Ary hianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E6DDBA3-8E02-4288-8D38-ABE9F8BF7D5C 10 Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE73F1A0-C55D-4CF2-99EC-F82F20B0A298 11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|442B3A4F-FDAA-4B32-AE69-05F344ABAC59 12 Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra [lanitra]. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|613A8FB9-5177-4AE7-989A-213ECF301626 13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|497CAA49-090C-4880-82CF-5B726709FE36
|