Efesiana 6: 1-9

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40792679-9ADA-4815-A729-1EDF5AD24AD2
2
Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B18A585A-38AD-4BCC-9877-45F9CCAB46A4
3
mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|060ED8D4-9D34-4209-9D62-B9442880D3E6
4
Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68E25BE5-C06E-44BF-8B91-BCBA6020B7D8
5
Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3A51A58-7AC1-4389-B8EE-16B3A44C4A92
6
tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|077F64E5-C929-4B4F-A0C1-867CA8DCA0C7
7
amin'ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E479B314-45A1-48DD-AB83-4186467A90AA
8
satria fantatrareo fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|354E1DF6-279E-45EA-B7D6-2439B38AD4AE
9
Ary hianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E6DDBA3-8E02-4288-8D38-ABE9F8BF7D5C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany