Efesiana 6: 10-18

Andininy
Protestanta Malagasy
10
Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE73F1A0-C55D-4CF2-99EC-F82F20B0A298
11
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|442B3A4F-FDAA-4B32-AE69-05F344ABAC59
12
Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra [lanitra].
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|613A8FB9-5177-4AE7-989A-213ECF301626
13
Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|497CAA49-090C-4880-82CF-5B726709FE36
14
Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9D65653-CDF3-427E-9272-F492FC0DD9AD
15
ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E92948C8-5A6D-47CA-BE27-8B9C61CC123D
16
ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika marehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C597BECF-519C-4AEE-AD8B-9D4692EDD35A
17
Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7912151-D676-4F22-9C42-7D5D273378DF
18
ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB5F3BD5-E375-4EB1-8E62-2465FE76FD86
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany