Andininy
Protestanta Malagasy
17
Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra[Heb. Andriamanitry ny andriamanitra.] sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7E6DD2F-B2F2-4338-AA83-848784426CA4
18
manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F49FEE6-5B3F-44E8-94E9-5615A749C5E7
19
Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|507AB848-6FBF-467A-BAEC-712AA0182BD6
20
Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F18BE278-CED9-4007-8E9A-996226EB37C6
21
Izy no fidéranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan'ny masonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C56F3623-7E35-43E1-BAC5-C7DE0359B0F3
22
Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon'i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DAA36D9-6B89-4729-99CF-1DCA85423579
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany