Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona hianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C6E88A7-3434-4FDD-BE66-AE402B15B169
2
Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18F05A15-B2FA-45F4-94DA-66C63DEECEE3
3
Ny masonareo efa nahita izay nataon'i Jehovah noho ny tamin'i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora dia naringan'i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32F71A57-A71E-4CBE-98AC-8C05E0E29668
4
Fa hianareo izay nifikitra tamin'i Jehovah Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE682B08-FFBC-4710-B51C-B4C6EDF0D2A0
5
Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika hianareo, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BED3976-2962-4A03-B6E8-1844709FA0F3
6
Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason'ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EFCB448-896D-47A0-BEA9-7EFB0B301D80
7
Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an'i Jehovah Andriamanitra amin'izay rehetra iantsoantsika Azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE4B4B6A-B179-402A-9897-86BE1A914909
8
Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14E9666E-42E5-4AD6-8D01-6C84EE5E16BC
9
Kanefa kosa mitandrema hianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan'ny masonao, ary andrao miala amin'ny fonao izany, amin'ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E625A564-42D7-4976-B95B-992FC4C4077C
10
dia izay hitanao tamin'ny andro izay nitsangananao teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony ety amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin'ny andro rehetra hiainany ambonin'ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B1A0378-70A7-4DE7-8FB8-4ACFCF12F65C
11
Dia nanakaiky hianareo ka nitsangana teo am-bodin'ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05371205-9B47-484E-BFB6-8AC629F51F5F
12
Dia niteny taminareo teo amin'ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75131851-6166-412A-BB4D-6DF5B4F62F9A
13
Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo[Heb. ny Teny Folo.] ary nosoratany teo amin'ny vato fisaka roa ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44AD5C7B-7830-4F2B-B026-7CBFD85E91E3
14
Ary izaho nodidian'i Jehovah tamin'izany andro izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26B389B3-A4FE-421D-8338-ACD66B072905
15
Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory hianareo tamin'ny andro izay nitenenan'i Jehovah taminareo tao amin'ny afo tany Horeba;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2CD2EF7-DDED-4D79-BD4B-609F0566F5C7
16
fandrao manao ratsy hianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58A09CDE-2B34-44A0-9D1F-61A0C3A3CC67
17
na sarim-biby izay ety ambonin'ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin'ny habakabaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5FAA424-F59C-453C-96F2-0C6AF76ED5EB
18
na sarim-biby mandady na mikisaka amin'ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin'ny rano ambanin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8D4DCD6-936D-485E-B51A-3BB3B3E0A178
19
Ary andrao raha miandrandra ny lanitra hianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin'ny lanitra, dia ho voataona hianao hiankohoka eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A491F2C-8756-4356-A7DE-8CBA6C2C432C
20
Fa hianareo no nalain'i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin'ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin'izao anio izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0071E6D9-EDA9-423B-BFF4-077D73E1E9AB
21
Ary Jehovah dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an'i Jordana aho, na hiditra any amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A509BFF-D06A-40FC-9028-66F3AF579A7F
22
Fa izaho ho faty amin'ity tany ity, fa tsy hita an'i Jordana; fa hianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E4D3062-DC40-4D97-A0FE-E0DE4F8CC448
23
Mitandrema hianareo, fandrao manadino ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra izay efa nandraran'i Jehovah Andriamanitrao anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA43822A-643E-4494-85FC-3CE3BF79C985
24
Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5658F129-AD80-40BF-9AE8-FDA6B05F7D19
25
Raha miteraka sy ho loa-jafy koa hianao, ka efa nitoetra ela teo amin'ny tany hianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B71426AA-E88D-4D9D-A454-0B29B5039EB2
26
dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa hianareo tsy ho eo amin'ny tany izay alehanareo hita an'i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo hianareo, fa haringana tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|912ACC1C-AD63-4A97-8EC7-E8F315CBBE5C
27
Ary Jehovah hampiely anareo any amin'ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin'ny firenen-tsamy hafa izay hitondran'i Jehovah anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73B43140-668D-48B6-AE3D-00989FA4967D
28
Ary any no hanompoanareo andriamanitra asan'ny tànan'olona, dia vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC864EBA-9361-4EC9-B473-B5F4B8B9622A
29
Kanefa any hianao no hitady an'i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B04E105B-7D5A-446E-83C7-CF3CDD17A854
30
Raha azom-pahoriana hianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin'i Jehovah Andriamanitrao hianao any am-parany ka hihaino ny feony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE20992D-1D98-44B9-8E80-456FBE2B7268
31
fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin'ny razanao, izay efa nianianany taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5051FAB9-A516-4071-BFA2-0605F738947C
32
Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin'ny andro izay namoronan'Andriamanitra olombelona tety ambonin'ny tany ary hatramin'ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C249F0F-B672-49D6-BA6C-624A8EB93985
33
Moa efa nisy firenena nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao amin'ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79777D8E-F866-48E5-BAD8-3D3CB0DF0045
34
Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin'ny firenena hafa va Andriamanitra amin'ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tànana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CEA3F95-E104-469B-87DF-93C9F58E85D5
35
Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B9DEC67-8264-477A-850F-FDCAAE7BC15D
36
Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin'ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|452AEA9B-13B9-4985-9EA6-8D7E6AF19CAF
37
Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny heriny lehibe,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3EBB28F-5355-41CF-9AE4-3621D04C0A6F
38
handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho hianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin'izao anio izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDFBE592-E33A-4D53-AEC8-6A85BF0319D9
39
Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy ety amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6361B7C9-61D9-4528-A540-2F75B6CEB936
40
Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa hianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro hianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BC95420-1990-4C82-9497-5E7910A2BC88
41
Ary tamin'izay Mosesy dia nanokana tanàna telo any an-dafy atsinanan'i Jordana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94E832FD-6B32-4242-89FC-23B882D2D8CC
42
mba handosiran'izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha, dia ho velona izy raha mandositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D3DD114-38BA-4E3A-A6CD-371A15775A7B
43
dia Bazera any an-efitra, amin'ny tany lemaka, an'ny Robenita; ary Ramota-gileada an'ny Gadita; ary Golana any Basana an'ny Manasita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08680D39-8553-406E-99E0-D213DE8306D1
44
Ary izao no lalàna izay nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5440E5EF-A98D-4A6F-83E8-E361C8365395
45
Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B056868F-478E-413E-BBAD-5CC28CE67CE1
46
tany an-dafin'i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin'i Beti-peora, tao amin'ny tanin'i Sihona, ilay mpanjakan'ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|480620B8-B5FC-4E57-AB60-62845E5DA153
47
ka dia azony ny tanin'i Sihona sy ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafy atsinanan'i Jordana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|638DD3E4-6231-4838-A8AE-62BC7A2058A2
48
hatrany Aroera, izay ao amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatramin'ny tendrombohitra Siona (Hermona izany),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21BC4DD2-4134-4987-B7C6-4BBD5AB105F3
49
dia ny tani-hay [Heb. Arabà.] rehetra any an-dafy atsinanan'i Jordana ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay [Heb. Arabà.] eo ambodin'i Pisga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8524191-6460-47DF-A8A7-19B0B903DD3E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany