Filipiana 1: 1-30

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina [episkopo] sy ny diakona izay any Filipy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DED7777E-C519-48F8-8778-0870BF106B96
2
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|186EB9FB-4189-4F8C-B1EE-95E1558A2BA5
3
Misaotra an'Andriamanitra amin'ny fahatsiarovako anareo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|130704A6-5239-40C5-8007-F32969A8D804
4
mandrakariva aho amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDEBEB6B-380C-495E-94C7-D16CBD61E280
5
noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86FBC0DA-799A-4BA6-A906-4447209977D2
6
ary matoko indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17AFF04A-1935-49B1-86C8-F1FE912D3576
7
fa marina izany, satria efa mba ato am-poko hianareo, fa mpiombona fahasoavana ananako hianareo rehetra na amin'ny fifatorako, na amin'ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C492A00-2A66-4419-8F51-B6BD8794A1EC
8
Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin'ny famindrampin'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|194CA851-8155-49DB-85E6-75763E9A6F8A
9
Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4313E98-CB1E-4021-8E81-8031071E3D75
10
mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra [samy hafa], mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin'ny andron'i Kristy hianareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|217BF7CC-8865-4179-A335-D2EB2FC5ECE0
11
sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|252A1C31-78E6-45F0-AACA-D06D2783B32D
12
Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28651D20-6313-4294-B0B2-DF45174B8383
13
ka ao amin'i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin'ny olona hafa rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|126A0DF3-7AD4-4E0C-8EF9-5572F6AC4396
14
ary ny ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D634A027-7C86-4C5A-A590-8CF2A5D6543A
15
Fialonana sy fifandirana aza no itorian'ny sasany an'i Kristy, ary fifaliana kosa ny an'ny sasany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0A07B15-E5BB-4557-A9A3-FC3407E856AD
16
fitiavana ny an'ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEE0C049-1C56-4F2C-988E-D4CE0EA19D8B
17
fifampiandaniana kosa ny itorian'ny sasany an'i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1222DADC-24B2-4C70-A434-7F244EAC1820
18
Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsarambelatsihy, na amin'ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2E039CA-5F4A-4442-A628-224BAE0A85D7
19
Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana [fanomezan'] ny Fanahin'i Jesosy Kristy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70D2D7A9-6618-4759-9A61-1FE589D3E795
20
araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako, na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D520DE7-84C2-433F-812A-8843C8E86933
21
Fa Kristy no anton'ny hahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|010E0EE3-47BC-4FD8-B89C-86C98BE53FAE
22
Kanefa raha ny ho velona amin'ny nofo no hahavokaran'ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E8C73D2-A86C-492E-AC05-1D1297977914
23
fa sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|076939A3-7EF6-4739-9634-0691A3E80C02
24
kanefa kosa ny hitoetra eo amin'ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67E2024E-ED36-4208-86B7-FD2F7769B813
25
Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin'ny finoanareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A0579BD-41D3-44EE-B2BD-F889ED0E1237
26
mba hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin'i Kristy Jesosy amin'ny hankanesako aty aminareo indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25B33DDC-6EB5-446D-B10A-D25C1563C98A
27
Fa hany ataoko: aoka ny fitondrantenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa haharitra amin'ny fanahy iray hianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A4EA48C-D49D-4C56-BF96-337533E36CD6
28
ka tsy ho azon'ny fahavalo ampitahorina hianareo na amin'inona na amin'inona; fa amin'ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin'Andriamantira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EA66662-358B-4AB3-8548-6F29362C2DA4
29
Fa hianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69DF52E6-27FA-44F2-A741-4377B1E9C922
30
dia manana izany ady izany hianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amoko ihany ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|724E29D2-FA1F-46CA-B884-136671F02621
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany