Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED8AD0D6-0DB4-4F65-86D1-08CEF8DFD1D9
2
dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5570B78C-D376-44AC-A7E9-D12A21B4C662
3
tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana; fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C1666F8-B9E9-4512-A401-5EF523C0C895
4
Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D15FC3C4-4DD6-46FE-8E83-F6D88D99D8CA
5
Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70C2B50B-4C96-43E4-BD3C-33E5F148D105
6
Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|608FCA46-99DE-48B3-B007-92D07B111999
7
fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|576F1509-89D2-4ED8-AE78-E39F3F7C3CFC
8
ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24BCC3EA-E4BC-4017-AECC-35D496018286
9
Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06512A92-1C7B-4B46-BDA7-790BB55A03B7
10
mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin'ny tany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDD2C1E5-A383-4327-8B41-0FFBE9B6B0B0
11
sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40191A81-93F3-4FFF-A95A-70206ABD47F8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany