Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED8AD0D6-0DB4-4F65-86D1-08CEF8DFD1D9
2
dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5570B78C-D376-44AC-A7E9-D12A21B4C662
3
tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana; fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C1666F8-B9E9-4512-A401-5EF523C0C895
4
Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D15FC3C4-4DD6-46FE-8E83-F6D88D99D8CA
5
Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70C2B50B-4C96-43E4-BD3C-33E5F148D105
6
Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|608FCA46-99DE-48B3-B007-92D07B111999
7
fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|576F1509-89D2-4ED8-AE78-E39F3F7C3CFC
8
ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24BCC3EA-E4BC-4017-AECC-35D496018286
9
Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06512A92-1C7B-4B46-BDA7-790BB55A03B7
10
mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin'ny tany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDD2C1E5-A383-4327-8B41-0FFBE9B6B0B0
11
sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40191A81-93F3-4FFF-A95A-70206ABD47F8
12
Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACCCAFD6-AE92-401D-9715-7205237AA7A2
13
Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94942A83-AC45-4D78-9309-8BB3F71A59EA
14
Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84BC24CC-522C-4BF1-AD3A-4BC116ED844A
15
mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A151F1A-187E-4965-B33E-04E5344FB345
16
mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE14FAC5-EBEE-4F99-B7C0-DB03B6058252
17
Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra sy fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57C1F738-50D5-4FEA-A61B-650880265614
18
Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|546C346A-574A-41FE-B133-C9BB2B70E3D9
19
Nefa manantena ao amin'i Jesosy Tompo aho fa haniraka an'i Timoty faingana ho aty aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1086F6C4-AB96-4AE2-9241-9DE53CFA7FFD
20
Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko [aminy] aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7FFA78D-B69A-44A5-8387-E06D80CEFDC4
21
Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an'i Jesosy Kristy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B165D879-6A3C-43A5-B94C-2B4F7D8B791C
22
izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin'ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C972866C-57B9-48FC-9A94-AC102F66C7DF
23
Ary izy no antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako izay ho toetro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12BFA5C7-8C74-45CA-8CFB-3FFE9EA8402B
24
Fa matoky ao amin'ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy faingana koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8146572F-763E-45BB-92B2-C93A8F1612A5
25
Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankaty aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo [apostolinareo] sy mpanompo hanome izay nilaiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB425785-F7F0-4AA6-994B-1A8A7E2C05B2
26
Fa manina anareo rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DC229E5-61B7-416F-9962-94A0E96CCBD6
27
Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana halahelo mifanontona aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5C98F79-D848-49B7-ADDF-92CDC8EF7859
28
Koa nazoto kokoa haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka alahelo kokoa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A01BDF95-0B44-4C42-9116-73F1E3DF0E31
29
Koa raiso ao amin'ny Tompo izy amin'ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3D05C21-B70C-4D50-82E3-E08BA792EFA8
30
fa saiky maty izy noho ny asan'i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy viatanareo tamin'ny fanompoana ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C86BF853-6645-4BC9-BAFE-809C698BA40F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany