Andininy Protestanta Malagasy 5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, 6 Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, 7 fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; 8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.
|