Andininy
Protestanta Malagasy
1
Farany, ry rahalahy, mifalia [veloma] ao amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35CE8AB1-F0A3-4B0C-9749-3B5FBC852DE7
2
Tandremo ny tenanareo amin'ny amboa, tandremo ny tenanareo amin'ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin'ny voakilema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CE0737F-13A0-406A-B4C8-62EA5398C03F
3
Fa isika no voafora, izay manompo amin'ny Fanahin'Andriamanitra ary manao an'i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B1230CE-D5AD-41FC-9A96-CB25D5A95626
4
kanefa mba manana izay hitokiako amin'ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin'ny nofo, mainka fa izaho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42D10534-1739-48DF-AA11-09DED7C6F362
5
fa voafora tamin'ny andro fahavalo aho, avy amin'ny fototr'Isiraely, dia avy amin'ny firenen'i Benjamina; Hebreo sady avy amin'ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29DA12CB-17ED-4E9F-A8B8-4C79AD2C3138
6
araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin'ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0DAD66E-9D6F-4196-BBAC-55FF676BF217
7
Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8CFB835-C0E2-45FE-AE43-35DFE37156D2
8
Eny tokoa, fa ataoko fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF244297-8992-4E80-A73D-0169A3F9862E
9
ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an'i Kristy, dia ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA5BD0FD-9399-49AC-8BCF-2AA922B05B34
10
eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1A47D43-44C5-47E8-A9DE-704E1A27AFC2
11
raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EF3882C-2EFD-4A53-A6F1-04D4B8CFA505
12
Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazon'i Kristy Jesosy ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|831F4E53-6C35-44F7-9EAA-5D671A4329DF
13
Ry rahalahy, tsy mbola ataoko [tsy nataoko] efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D4F797D-5C33-4079-9C4F-95C4BDDD9447
14
eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony [ho any ambony] ao amin'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13ACF1C7-D71D-4CC1-8B18-642D986017DE
15
Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany; fa hasehon'Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9081491A-B64A-4B6D-8E62-0CE39E5394F8
16
Kanefa aoka ho amin'ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40B37F63-24B2-4CBE-A5DE-437ABE594C37
17
Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy hianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F47FCDEC-3555-4BBA-9920-25628D26CC2B
18
Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin'ny fiomanana koa ankehitriny, fa fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy ireny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3437722-66B5-494C-94E5-E043FF8DC2CB
19
fahaverezana no hiafarany, ka ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny an'ny tany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5670121F-F4F5-4FFC-A408-24A8D5B88371
20
Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9B0054E-8829-4A78-BC73-69F2AFCF6307
21
Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72500D57-747D-42DA-B65A-2F30A4A6BB4F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany