Kolosiana 1: 1-29

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|604480A1-C74C-4F38-96EA-2F5206A8D931
2
mamangy ny olona masina any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin'i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamantra Raintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|166FFD52-3A3F-42EF-B0A9-BD62B1BEDEC5
3
Misaotra an'Andriamantra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin'ny fangatahanay mandrakariva ho anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|152C0234-870C-4EC4-9D71-8A85AFCAFF74
4
rehefa renay ny finoanareo an'i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|467FBA37-742D-497E-B14A-807359838290
5
noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DED76BEF-2922-4A7E-8D3A-AD3A4D08F839
6
izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin'izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin'ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B57819D9-A281-4C6F-A472-2744C3A91D88
7
tahaka ny efa renareo tamin'i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon'i Kristy mahatoky ho anay [anareo],
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C8B3DBE-45BE-44A5-A510-F02F32F7B7B8
8
sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin'ny Fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37646A50-2FDA-4339-8865-294B205F5EED
9
Ary noho izany koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony hianareo amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3AE43B7-A23C-40A9-8631-435AEAB98FF8
10
mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin'ny fahalalana tsara an'Andrimanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9855F89E-DAE9-4D3E-B854-64F57B05DC12
11
ary ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny ho amin'ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin'ny hafaliana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C52729A-044E-43E3-8161-CD185A36DBB2
12
ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5954B8A1-C5A6-45B0-8D66-6B15D05228D7
13
sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C10652F6-FE3F-4423-9DD5-B615927DE88D
14
Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78B3ED86-D163-4F7E-A7BA-06B7749611F3
15
Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|057D0D24-DD66-4832-9A4B-05D4D049334B
16
fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana [seza fiandrianana], na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46927227-640C-4CA6-97C6-6F23448A6EB3
17
ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C3F6D5F-A517-4A77-BF5F-57467C2B6A27
18
Ary Izy no lohan'ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77BF5599-FD2E-4117-834F-47455B8EE653
19
Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78620886-BF32-4628-945E-7C6177815DEE
20
sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny rany teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny ety ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB002FBC-8699-4A3D-998D-B779705B6507
21
Ary hianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27D27B29-77DF-4DAB-B9D9-FDEFF190C455
22
tao amin'ny tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|367F3951-C9A5-474B-AE85-BA9D086FE16E
23
raha maharitra amin'ny finoana hianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97706A19-6C89-48ED-AB97-8A12F68C898E
24
Ankehitriny dia mifaly amin'ny faharetako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FF99610-F05E-4FF9-A60A-B792743EE616
25
izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran'Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9127C9FA-7454-4E7B-9035-910D868493C5
26
dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin'ny olony masina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E59A467-85F3-4D10-AD12-7E40E8ADF902
27
izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-miafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F85E0048-AA57-471A-83C7-F0C932225B39
28
Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2108E082-EF62-4128-BD8D-7D7A2BCA4BDF
29
Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan'ny haren'Ilay miasa mahery ao anatiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8D97BCE-65A1-4AAC-9AFD-748A1844C135
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany