Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin'ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin'izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin'ny nofo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57D278B6-1594-4649-A815-AD27E2A6D191
2
mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|867A0CF3-F171-4B83-BEF4-3D5C719EE3AE
3
Izay iafenan'ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4893C03-7541-4C0D-A4F7-C63F6B3EFF36
4
Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin'ny teny toa marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19A9CB0E-83D9-4607-B722-F2857189DDB3
5
Fa na dia tsy manatrika anareo amin'ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin'ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan'ny finoanareo an'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0B04488-D8A5-4C7C-BCDB-79975CF43E6F
6
Koa tahaka ny nandraisanareo an'i Kristy Jesosy ho Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D2D7066-F141-4A1F-91F8-B1637A06E584
7
ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin'ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto [mitombo amin'zany] amin'ny fisaorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88F19AA9-6FD3-4F0B-BB51-B6386D53D330
8
Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E0AE093-3953-48FF-A56E-9BD1C001BD7B
9
Fa ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamantra rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E671873-0A5A-4B51-921C-44B43B341876
10
ary hianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30A13866-DAFA-406F-B8F6-D08CA5C0B182
11
ary tao aminy koa no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tànana tamin'ny fanesorana ny tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D98A9BAE-4B61-4BA4-9628-443A98CF43FF
12
fa niara-nilevina taminy hianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02005EF3-B4C2-44B9-9548-FD416B45DAE3
13
Ary hianareo, izay efa matin'ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan'ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin'i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A62AF15-06C3-479A-80F5-6C86E28D698E
14
ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A8DFEF3-AB5D-49EE-88A5-68B0AD3A480A
15
ary nesoriny tsy ho eo amin'ny tenany [noreseny ka nobaboiny] ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|342846B5-0A20-4198-8E0C-365B0B3C5583
16
Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF5E566A-98EF-476E-B022-74D8E46AE76B
17
aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBA29B00-E7B7-4025-8E4C-0BE0D585BE0E
18
Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely ka mitompo amin'ny zavatra efa [tsy] hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D97A6D83-4843-461B-A5D8-A356D032BB3A
19
ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny ozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11242224-185E-4B31-A9B8-B936D1148946
20
Ary raha niara-maty tamin'i Kristy hianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany hianareo ka mety hodidiana hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67E21F09-13D3-459E-9E8A-A8D10496B55C
21
Aza mandray, aza manandrana, aza manendry -
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61FC3B5A-19E9-472E-9B69-9D6D0F9E0518
22
levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5665A13D-C6CA-4283-A546-4C08C6EF8966
23
Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE5226E5-ECDB-496A-BD3D-6A8EB213881E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany