Andininy Protestanta Malagasy 1 Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy hianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tànana ankavanan'Andriamanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA40BB1E-E9AE-4624-B41F-EB609F4F2083 2 Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|825435FC-1249-4C10-8216-7E0C70ADE58E 3 Fa efa maty hianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01EE0DA9-5DB7-4B3C-8B3E-C977406D0BE6 4 Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C7FE919-E2FD-4F9D-AEEF-573FCFA2D2D2 5 Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F3095C7-1BC1-40E9-A665-9F9741C9A73B 6 fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B0D115A-1F0A-4E3B-A22E-A191B88F9E62 7 izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B717601A-9829-4523-BC5E-813301DDE8E2 8 Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolom-po, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19272BA4-F644-4F6D-8D4F-E26FF44089A6 9 Aza mifandainga hianareo, fa efa narianareo ny toetra [olona] taloha mbamin'ny asany; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E982C4F-7EB8-4EEE-945E-7C0464D10A43 10 ary efa notafianareo ny toetra vaovao [olona], izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'Ilay nahary azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BBF6ED0-9CCD-40E1-BBB8-D5CCB6F305DE 11 Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa [Grika] sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50291578-003B-4965-B6BD-7CA75EC4D77A 12 Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|153B3A1B-FA73-40A3-B3F7-38BE47E86712 13 Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo [Kristy] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4EC32EE-9930-4A9C-A8BE-33CF22659126 14 Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AA88927-3EBD-4467-8258-2F51B5ADA4EB 15 Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B9F92A4-6FE9-48C9-95B7-09D983250F38 16 Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86CB7C76-DA87-4001-AF72-D23794CDF8C0 17 Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an'Andriamanitra Ray amin'ny alalany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7471ADE3-8D1E-4DDE-8187-6AFD5F7BCAE7
|