Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy hianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tĂ nana ankavanan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA40BB1E-E9AE-4624-B41F-EB609F4F2083
2
Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|825435FC-1249-4C10-8216-7E0C70ADE58E
3
Fa efa maty hianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01EE0DA9-5DB7-4B3C-8B3E-C977406D0BE6
4
Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C7FE919-E2FD-4F9D-AEEF-573FCFA2D2D2
5
Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F3095C7-1BC1-40E9-A665-9F9741C9A73B
6
fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B0D115A-1F0A-4E3B-A22E-A191B88F9E62
7
izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B717601A-9829-4523-BC5E-813301DDE8E2
8
Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolom-po, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19272BA4-F644-4F6D-8D4F-E26FF44089A6
9
Aza mifandainga hianareo, fa efa narianareo ny toetra [olona] taloha mbamin'ny asany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E982C4F-7EB8-4EEE-945E-7C0464D10A43
10
ary efa notafianareo ny toetra vaovao [olona], izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'Ilay nahary azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BBF6ED0-9CCD-40E1-BBB8-D5CCB6F305DE
11
Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa [Grika] sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50291578-003B-4965-B6BD-7CA75EC4D77A
12
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|153B3A1B-FA73-40A3-B3F7-38BE47E86712
13
Mifandefera, ka mifamelĂ  heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo [Kristy] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4EC32EE-9930-4A9C-A8BE-33CF22659126
14
Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AA88927-3EBD-4467-8258-2F51B5ADA4EB
15
Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B9F92A4-6FE9-48C9-95B7-09D983250F38
16
Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86CB7C76-DA87-4001-AF72-D23794CDF8C0
17
Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an'Andriamanitra Ray amin'ny alalany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7471ADE3-8D1E-4DDE-8187-6AFD5F7BCAE7
18
Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5929FA6E-A24C-443C-B362-92F591A4AF21
19
Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra [mangidy] aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4353ACB-EA9F-41F5-83A2-214E6084592B
20
Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|616F5B18-3490-46AD-BD01-38980A2B811D
21
Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao hamoy fo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0F91C50-2EA9-4983-9593-A9950D419B5F
22
Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0F64D7C-2CCF-4EEF-B09C-1D3D6DD0793B
23
ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|166457A8-37C4-4943-B6F2-54A177A828CE
24
satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA3DE3BC-25E6-4187-9DE4-60ACD03BFC3F
25
Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6352635D-F1D1-48EE-B825-0660EAB093AF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany