Kolosiana 4: 1-18

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Hianareo tompo, ataovy amin'ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa hianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23007517-5E0F-43CA-815A-A0327898D69F
2
Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0431C32-AB00-4F9A-B5D9-B05407A8F130
3
ary mangataha koa ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny hilazanay ny zava-miafina izay an'i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|295A15DD-2A7B-4690-9A12-1D164A89B633
4
mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8456EF4-B52D-453B-994C-24B76085586C
5
Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay eo ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0434E0D5-4DD8-4238-BAB3-68950825DB42
6
Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BD4BCA2-83CE-4088-8996-3C0F795FE79F
7
Ny toetro rehetra dia holazain'i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin'ny Tompo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B02DC56E-ECAB-41E5-9BA3-6F157EB6D445
8
ny anton'ny nanirahako azy ho aty aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, ny mba hamporisihinay ny fonareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F89ACD19-A393-4D05-B2CF-77EB881D5A17
9
ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra aty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCD27455-D54B-4EF8-9C88-78DEA1687817
10
Manao veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka havan'i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga aty aminareo izy, dia raiso),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7D0FF87-8C1B-4394-A2E1-48D481C36403
11
ary Jesosy, izay atao hoe Josto; avy amin'ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D08CEA8E-A7B5-4FA5-A964-5FB55F342205
12
Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara [ho tanteraka] amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2248B6D-4B96-4DF3-8796-D4428151ACD4
13
Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any Hierapolia izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEC1EC5B-BA4F-4A0E-ADD4-1513141D1C69
14
Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6E2046A-9546-49E2-A338-9DB711A37EAC
15
Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C959931-E315-4F42-A8A1-A6890750C4B1
16
Ary rehefa voavaky aty aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakiana ao amin'ny fiangonan'ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4720183-654C-4AEC-A874-D20DA9718BAD
17
Ary lazao amin'i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo mba hahatanterahanao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|550EF61B-50C7-46A4-B988-9FFB1A94DCAF
18
Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36ACCFAD-0B56-4D54-B9FD-54B388D7C113
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany