Kolosiana 4: 7-14

Andininy
Protestanta Malagasy
7
Ny toetro rehetra dia holazain'i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin'ny Tompo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B02DC56E-ECAB-41E5-9BA3-6F157EB6D445
8
ny anton'ny nanirahako azy ho aty aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, ny mba hamporisihinay ny fonareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F89ACD19-A393-4D05-B2CF-77EB881D5A17
9
ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra aty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCD27455-D54B-4EF8-9C88-78DEA1687817
10
Manao veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka havan'i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga aty aminareo izy, dia raiso),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7D0FF87-8C1B-4394-A2E1-48D481C36403
11
ary Jesosy, izay atao hoe Josto; avy amin'ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D08CEA8E-A7B5-4FA5-A964-5FB55F342205
12
Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara [ho tanteraka] amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2248B6D-4B96-4DF3-8796-D4428151ACD4
13
Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any Hierapolia izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEC1EC5B-BA4F-4A0E-ADD4-1513141D1C69
14
Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6E2046A-9546-49E2-A338-9DB711A37EAC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany