Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa ny tenanareo ry rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay taty aminareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F740267A-1030-4C8E-B598-25F5C1BBC270
2
fa rehefa nampahorina sy nisetrasetraina tany Filipy izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo ihany, dia sahy tao amin'Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny filazantsaran'Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9331166-429D-4AC3-A6B5-4772C311BF47
3
Fa ny fananaranay dia tsy avy amin'ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C61B1EA-29BA-4388-A949-1E303428A043
4
Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa ny itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB75614E-F457-4DE1-93F9-E992988F6445
5
Fa tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C1474A6-7A93-4490-86CA-4A264C47A2EB
6
ary tsy nitady voninahitra tamin'olona izahay, na taminareo, na tamin'ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah'Apostolin'i Kristy anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57722D1B-DAC5-4D49-8414-1422AD8A454A
7
Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C301734D-D864-4313-BE39-00E1CED02099
8
dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran'Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C85274A-5FAA-4638-A438-0D225241972F
9
Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman-alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84461E51-2D59-4612-93F6-4643B4E5726C
10
Hianareo no vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondrantenanay teo imasonareo izay mino,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E720E00B-74F8-4BF3-BCA5-7F956493C724
11
toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin'ny zanaka ny namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5F80825-904E-497B-80E2-6A6820CA1F06
12
mba handehananareo miendrika an'Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin'ny fanjakany sy ny voninahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D864E8C-3765-48BA-9285-93366B640352
13
Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olona, fa araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84D9E047-1347-414F-950C-81199C91B247
14
Fa hianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan'Andriamanitra any Jodia izay ao amin'i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon'ny iray firenena aminareo dia sahala amin'ny nanjo ireo koa noho ny nataon'ny Jiosy taminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|292945E7-4A60-4B58-8C3E-042E5F423F2D
15
izay namono an'i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|170F334E-9367-42AA-9A90-5CA747942748
16
ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A55F631-DC47-466B-8238-CEC48DFBCF23
17
Ary izahay, ry rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo vetivety foana tamin'ny fanatrehana, fa tsy tamin'ny fo, dia vao mainka nitady sy naniry fatratra hahita ny tavanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2F70066-7835-47AC-BF40-5802797E158A
18
Koa naniry hankany aminareo indray mandeha amana indroa izahay, dia izaho Paoly; nefa nosakanan'i Satana izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E490545-4FCA-4734-BAC2-3885177F608D
19
Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satroboninahitra reharehanay? Moa tsy hianareo eo anatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaviany va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D464029B-EBAA-4953-83B7-B29E9E9B9F5A
20
Fa hianareo no voninahitray sy fifalianay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42D0ABFF-FA87-494A-8B2C-1B80468AB133
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany