Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary amin'izany, raha tsy naharitra intsony izahay, dia nataonay fa mety ny hilaozana hitoetra irery tany Atena,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE2A4509-3843-4E2F-8EFB-62E21C97BA59
2
ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady mpanompon'Andriamanitra amin'ny filazantsaran'i Kristy mba hampahery sy hamporisika anareo amin'ny finoanareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B05F9894-25AC-4107-85FD-7F73A852CADB
3
mba tsy hisy ho taitra amin'izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin'izao no nanendrena antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9457C392-54DF-441F-9AB1-DBDEFB3E2C39
4
Fa fony teo aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24D64DC2-4185-43C1-A21B-057F8D8BD496
5
Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C758C744-92DA-4C58-87C6-0FC94B4A66FE
6
Fa raha vao tonga aty aminay ankehitriny Timoty avy taty aminareo ka nilaza teny soa taminay ny amin'ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fahatsiarovanareo tsara anay mandrakariva, ka maniry hahita anay indrindra hianareo, tahaka anay aminareo koa, -
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB43A7C6-118C-4AB2-BE99-E74270E5C3CD
7
noho izany, ry rahalahy, dia nampionona anay teo amin'ny fahaterenay sy ny fahorianay rehetra ny finoanareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAABB387-EA9C-45EC-BE61-77919E43EFF7
8
fa ankehitriny velona izahay, raha tomoetra tsara ao amin'ny Tompo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63B99874-7A76-47D7-90AC-9767A6AE2A21
9
Fa manao ahoana no saotra azonay havaly an'Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan'Andriamanitray,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4101D80-9305-4C76-AF59-433C831FCF3C
10
amin'ny fangatahanay fatratra andro aman-alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka ny tsy ampy amin'ny finoanareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32A0CC78-B8BA-4A71-9A36-EF1D54D204D5
11
Ary Andriamanitra Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika hanitsy ny làlanay ho aty aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71451942-B4F6-468F-94AA-9D341A338B1C
12
Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F12D461D-76E7-49D5-AEA6-B55F7763F0D3
13
mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|837AD37A-4186-49A1-98C5-45591762F6AB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany