ITesaloniana 5: 1-8

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81E72736-0958-4D27-B9E7-56662CF6CCAA
2
satria hianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|168CB22D-C298-432E-8923-D3F66C01383F
3
Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1E915D8-5A62-4231-BB2A-582974B17F01
4
Fa hianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEA69E23-EB1E-4E6D-B7CC-019B3068E57C
5
Fa hianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9772E605-EDC2-45B4-87D8-ABD495DCD2CB
6
Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina [hiari-tory] ka hahonon-tena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB81DF94-9FD0-4225-9625-52241618EC60
7
Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D57A0CC5-EAA0-4097-87FB-9B152FAD6C9B
8
Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CEDC36E-9417-4234-833E-2BEC70BF49E3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany