IITesaloniana 1: 1-12

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C6392B7-E2BA-4E7C-B3F7-1FCFE8A434F1
2
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E002A01-7271-4F01-905D-7158598B3AA6
3
Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa mahamendrika izany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5C14028-D85B-4169-BD41-09D565791099
4
ka reharehan'ny tenanay hianareo eny amin'ny fiangonan'Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin'ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo -
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6C503EE-4507-4354-AE76-F28A0BFA9B5F
5
famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra izany - mba hatao ho mendrika ny fanjakan'Andriamanitra hianareo, sady izany koa no iaretanareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8451879E-DC97-49AA-849D-17337A01B1C0
6
fa zavatra marina amin'Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9388EDD-D2C1-4298-B57B-284683055D0C
7
ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin'ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny anjelin'ny heriny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9390CF7A-5884-4565-92B1-4540FAEF4323
8
amin'ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10D2A1D3-2B6E-42CE-97B0-C7C949C3EAD8
9
dia olona izay hiharan'ny famaliana marina, dia fahaverezana mandrakizay, avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|315C9B40-4A69-4CA2-9C07-3BB85C6EC784
10
raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin'ny olony masina sy higagana eo amin'izay rehetra mino amin'izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA754AF2-CA03-4B93-9732-6ABCA7CE39E5
11
Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon'Andriamanitsika ho mendrika ny fiantsoana hianareo, ary hotanterahiny amin'ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan'ny finoana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|758EB1E5-786E-42DD-9968-8D2A31A96DE8
12
mba hankalazaina ao aminareo ny ananran'i Jesosy Tompontsika, ary hianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11D4FDA5-FC10-4886-B2ED-6C7B1950F2A4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany