Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary mangataka aminareo izahay ry rahalahy, ny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B34B2319-DDDD-4CE5-8D03-78D1B6D476B9
2
mba tsy halaky hohetsiketsehina amin'ny saina na hampitahorina hianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B612E99-EB5F-4EAD-A7C1-99FA1A0C0145
3
Aza mety hofitahin'olona akory hianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91CC707C-DC51-4F4D-B93C-3F4A8C00B844
4
ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|351DE978-0C83-49CB-BAFC-C59A7CD08417
5
Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DB975B7-2EAB-4F24-8241-06DE2A45AC24
6
Ary ankehitriny fantatrareo ny zavatra misakana, mba hampisehoana azy amin'ny fotoan'androny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34128C9B-1BB2-4B55-856A-D3D277F8DED5
7
Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany [kanefa ao ihany ilay misakana mandra-panaisotra azy.].
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2181D5F0-F94D-49F2-9156-2445D2765D0E
8
Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5ECF3ADC-B744-4403-8BFA-63D611BDD323
9
ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A82E6A4A-9336-4A09-8442-B6D10F05DD16
10
ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5D1536E-78B0-4189-8AFA-9931E0E0170E
11
Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A44C050-30E1-43C7-AB57-CFA9BD394433
12
mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|605F368D-ACCA-4BB4-832C-A8773113BB36
13
Fa izahay tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5F00D29-E8F6-4002-9026-ADADEB260093
14
sady ho amin'izany koa no niantsoany anareo tamin'ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D980C7DE-BF41-4ACA-BBF0-6134BF597CB0
15
Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazony ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C9A480B-CF25-4A2C-88F8-45FCADDA33A4
16
Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D296822-0EF8-438E-B2F6-2B348AA095E6
17
no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|193A67C9-36D5-4DD0-8077-A41813B1A91D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany