IITesaloniana 3: 1-18

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan'ny tenin'ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9F05F55-AEE4-4337-A6D5-65F742F00F30
2
ary mba hovonjena ho afaka amin'ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1AA4BC0-1D88-4C66-A929-573BD532F095
3
Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy azon'ny [ilay] ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9F1B601-38D7-447C-9100-6FAE0100955E
4
Fa izahay matoky anareo ao amin'ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F48422E9-DB4D-40AB-A560-3F1123BA99A3
5
Ary ny Tompo anie hanitsy làlana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E90CDDA9-11CA-49AD-84C8-BBAE072BC95E
6
Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin'ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD6346AE-28AF-4F44-A544-339900226862
7
Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AE13942-BBC7-4049-9366-1918DF42D834
8
ary tsy nihinana foana izay hanin'ny olona, fa niasa andro aman-alina tamin'ny fikelezan-aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|830E00D0-634D-4612-AC82-0D9D5634B8C7
9
tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F769D933-9873-4B88-AEAF-66EC8995179E
10
Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18F05454-BAF6-4FCF-B361-47355B859613
11
Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFDFF9C0-FC4B-4290-A813-9A93B827769B
12
Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin'i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin'ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFE3C11F-F61B-4EA0-A082-FDDEC68EFC03
13
Fa hianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2D505F5-F10D-4273-95FB-C29AC39CA1B5
14
Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin'ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91850F83-B548-44C6-BF69-16C6EB47C898
15
Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BE14CD0-04F7-4E3D-A1A3-38A5471D6C49
16
Ary ny Tompon'ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42E101CD-2EEC-4F7C-ABD7-FB87D673B65D
17
Ity no veloma ataon'ny tànako, izay Paoly; izao no famantarana eo amin'ny epistily rehetra; izao no soratro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6463F597-9566-41E8-B744-DECF8EBA9D8E
18
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3131D17-3507-4B5B-BD5D-3D5963D141B3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany