ITimoty 1: 1-20

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy fanantenantsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A8CF596-1550-4E13-BA63-5CE969B9B654
2
mamangy an'i Timoty, tena zanako amin'ny finoana: fahasoavana, famindrampo, fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9F5CC44-A203-4B20-92BB-12FCDD61B76C
3
Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F971225-045B-4147-AF1C-CA9A2FDB542F
4
na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16B75E8A-7E6A-4CDD-8AC9-A58025CB5E8F
5
Fa ny anton'ny didy dia fitiavana avy amin'ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEBFB510-92BA-490F-998B-81ECD95EFE89
6
izay nivilian'ny sasany, ka nania ho amin'ny taria foana izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B4FE7A0-D809-4A74-9CE9-5B783CCCF684
7
dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3768BD4-067D-459E-B4C8-3A7BE3A12F64
8
Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin'ny olona araka izay antony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D635C264-A915-4533-9BA1-6BAC513D6D89
9
ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F455B513-318B-4B38-9A5F-6480E223C3B6
10
ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy to, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema [salama],
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FBA320C-F9A2-41EA-93A3-1DF755AF29BC
11
araka ny filazantsaran'ny voninahitr'Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C3B22F3-B26B-4C75-98FB-0307E24FD364
12
Misaotra an'i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04670461-8026-4330-AEAE-B92C22ABDBF6
13
dia izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindrampo aho, satria tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|993618E8-D166-4043-B3AB-0394ECE156B0
14
Fa be indrindra ny fahasoavan'ny Tompontsika tamin'ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FA1C258-E984-4AF8-BD73-ED10CFD0AC9E
15
Mahatoky ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tety ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A39747E7-A935-4CC5-B376-42AF717C66C2
16
Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C00106F-87C0-4847-9CE5-8EA2D9246E18
17
Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C07E699E-6B09-437F-8AC1-AA7DFB915CE1
18
Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40289DCD-06D7-4F16-976A-19DFA5A0FAC4
19
amin'ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian'ny sasany, ka toy ny olona vaky sambo izy ny amin'ny finoana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62BFB1F6-AA0F-40EC-8181-AA06499B069D
20
naman'ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an'i Satana mba hofaizina tsy hiteny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|820444A3-7146-46A9-9C61-5B6AA080166C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany