Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C66151CD-DEFF-47EF-8D9B-B7A2C161D0D6
2
ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF725170-AE28-4746-91F3-3562979FBB92
3
Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E77AFEE-4129-462F-AF03-41B4491FAB5C
4
Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F01A414-C226-47C9-A1D8-D65BEA7B435B
5
Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDEF54A2-CF15-45EB-9462-5505755DFA59
6
sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA40C075-7C6D-4909-B99E-049A692FC8BB
7
Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|851A1E7B-90D4-49FF-BD54-7589DA7B471D
8
Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tànana masina, tsy amin'ny fahatezerana na amin'ny fifandirana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99254ECC-2C2F-417B-A017-9D6D8621973E
9
Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa [perila], na fitafiana saro-bidy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BA6011B-62F7-4B41-A724-70BF35651063
10
fa amin'ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE0D593C-93BB-4C97-A864-BF811CE62F6A
11
Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D9C1DFF-BBA3-4DD9-86B1-1FB634AFA325
12
Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C2BF239-95DF-44A3-8A0A-A0C7D75DCDE2
13
Fa Adama no natao voalohany, vao Eva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59482751-C195-4172-B345-D5266BA357E9
14
Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|449FC58B-3620-4AD5-91D1-5A306784F7B5
15
Nefa hovonjena ihany izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|744525C2-1CEC-4109-B8B5-0110CAC099EA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany