Andininy
Protestanta Malagasy
1
Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina [episkopo], dia maniry asa tsara izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F28486D6-FB89-4CEB-9FB4-FFFAECB75489
2
Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EAB204D-387D-4668-A9A9-AB6FFFE1E831
3
tsy mpimamo lian-ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6EDB9A0-F80F-47A6-ACB0-A94D6D2BA28A
4
manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin'ny fahamaotinana tsara
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88033B85-66CE-4AD0-96DF-0D6F14142BBC
5
(fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony, ahoana no fitandriana ny fiangonan'Andriamanitra?),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF44720F-A8AA-4289-ABB0-468DB47A2D3B
6
tsy izay zazavao amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny fahamelohan'ny devoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50A61D9B-DF2B-48B4-B559-D51C5BCDF713
7
Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8ABEDCD-25E2-4C9C-9F39-D671E6DB9565
8
Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16194253-D2AB-4AF2-9D31-24F122A54858
9
mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin'ny finoana amin'ny fieritreretana madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F4A0700-AF6F-4F9F-A612-9758E0DB59A7
10
Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD5EC1FD-55AB-4AA4-A326-79317B3C6AB6
11
Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin'ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0866009-0C37-44F3-B875-86FED2FE642C
12
Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|196E0929-7190-4985-8B39-8D47C4351FA4
13
Fa izay efa mahavatra tsara ny asan'ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an'ny tenany sy fahasahiana lehibe amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E987A88F-0CBC-4258-BEE7-0AF287B5BAE4
14
Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankaty aminao faingana aza aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9451D78-3AD6-4866-AF24-C22B7E727FA3
15
fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondrantena mety hatao ao an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan'Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan'ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|257F85C2-6C97-48D6-8874-03B435C74535
16
Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin'ny voninahitra [ho amin'ny].
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F9836C2-BA59-4A2F-AA1B-5AAD1A970C7E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany