Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17C401C0-8F18-4B58-9A99-08806628B2DF
2
amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1E74E84-7D28-4E5D-9517-80BC57EA0E7B
3
izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91F89BF5-C384-4682-A319-CFD5F7AF7EE3
4
Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A1E1165-2C7D-48A9-B2A1-6A16BB12B6CC
5
satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7BD8ECB-4AD0-4447-9D9E-04119C51158F
6
Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin'izany zavatra izany hianao, dia ho mpanompo tsara an'i Kristy Jesosy, tezaina amin'ny tenin'ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4913F1B-E5CE-45D3-8EF6-5EAE30E128D4
7
Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny teneneo ho amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FF66B49-5F22-4E69-BDB0-733839086705
8
Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BEFFEB1-533D-4F6B-9BE4-89E98E2B72F3
9
Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FFFA834-3DE7-4561-A221-F46E8EC9853C
10
Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an'Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FE28FAF-4193-4D7D-8671-31A1A13CACE6
11
Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E6EBA42-2501-4B3A-BAA7-6CCA43AA826E
12
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino hianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondrantena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF406218-7500-4AC6-A869-0691DE75AAF0
13
Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E325620-3F36-4598-84D2-A47BC98F6A1F
14
Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izao ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tanan'ny loholona [presbytera].
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92295352-A0A3-4292-B4F2-6F65F49D2648
15
Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0C58509-D3B9-4F38-8F49-1707CA0215C4
16
Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93E4AF7A-EE36-4461-AB60-C2217FB5CC68
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany