Andininy
Protestanta Malagasy
1
Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62AC5A3E-3942-4B20-9C53-B44DF782AA6B
2
ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62341BB0-292A-4BD2-A815-19D35009199C
3
Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F35FB3A-C6D2-45C2-ABAF-A3D637F49825
4
Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81519887-F22F-4B45-AA18-5CEB80CEB196
5
Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa nanantena an'Andriamanitra ka maharitra amin'ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman-alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20C1C5DD-6013-42B4-A419-23A4568CD5EA
6
Fa izay vehivavy manara-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69F5E50A-698A-4A9E-80E3-96A36A859184
7
Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|194654F4-C219-4E00-8E70-BAD02ED3FE80
8
Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67B93102-4C5E-467F-BCEA-E86589A9D39A
9
Aza soratana ho isan'ny mpitondratena izay latsaka noho ny enimpolo taona sady efa nanam-bady indray mandeha ihany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF248006-3700-4925-929A-D552EBD56E3A
10
ary tsara laza amin'ny asa tsara: raha mamelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBAEE8FF-61A4-4819-9AB5-99F67581D7A5
11
Fa mandava ny mpitondratena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan'i Kristy izy, dia ta-hanambady
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B9F04AF-06BC-40A9-A77E-453768DC2FA8
12
ka hahazo fahamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E82E4947-7C8C-4975-BC67-6E20BEBD68DF
13
Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an'olona ka manao teny tsy mety.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|826D9704-DD3A-4DF7-B074-458DC8C8B921
14
Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF69146C-C9E4-4005-A020-3C539D0D75C7
15
Fa ny sasany efa nivily nanaraka an'i Satana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D97C40CE-CA58-4B70-A050-70562D2CA627
16
Raha misy vehivavy mino manana mpitondratena, aoka izy hamelona azy, ary aza avela hahavaky tratra ny fiangonana, mba hamelomany izay efa mpitondratena tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8B86F62-4C5D-4259-935C-5E35BFBDAD5D
17
Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aona amin'ny teny sy ny fampianarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65C29261-220F-4E49-9A08-4B2C2D17B000
18
Fa hoy ny Soratra Masina: Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary hianao (Deo. 25. 4). Ary koa: Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany (Lio. 10. 7).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC5C0FBD-3BA1-4976-B817-53659E179B6B
19
Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D965C790-2B5B-4EDB-AC2A-F32B02C418B0
20
Izay manota dia anaro eo anatrehan'ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E22A7E1-6463-443A-B561-622BC02827E4
21
Mananatra anao mafy aho eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin'ny fiangarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDEC29FF-AF53-4F8E-9972-4101F8BCE700
22
Aza malaky mametra-tànana amin'ny olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin'ny sasany; tehirizo madio ny tenanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC6F13DA-2182-4745-9C33-6AB6D53CA375
23
Aza misotro rano intsony, fa misotroa divay kely noho ny vavafonao sy ny fahosaosanao matetika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FDF5555-3CA8-474F-99F6-7C132471402C
24
Ny fahotan'ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin'ny fitsarana, fa ny an'ny sasany kosa manaraka ato aoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9F4AE16-BE02-4BDA-BF2C-187444092E46
25
Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C6B81CC-E4D1-4FFF-85CB-F0705120DDD7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany